Namana tsy foiko fa tena mamiko amin'ny fo

Namana tsy foiko fa tena mamiko amin'ny fo

guitare, country, male vocals

00:00 / 00:00

Your friends are using AiMusic.la to generate music, listen to it! You can also generate your own music!

Lyrics

Namana tsy foiko fa tena mamiko amin'ny fo Ilay tena namana, tsy manam-paharoa Namana mahavonjy, azo itokisana tokoa Ilay namana mpizara kanto sy ireo teny soa. Raha sendra aho faly dia eo izy manohana Iny aho kivy iny dia omeny vahaolana Ilay fahatsorany dia tena toetra miavaka Tsy adinoko ilay izy rehefa mitondra am-bavaka. Misaotra anao misy ,ka tohizo ny fahendrena Ho rakotry ny fitahiana sy tombontsoa sesehena Ho tsiorin-javan-tsoa fa ho feno fanahy masina Ho maodely alain-tahaka sy tsara tahafina. Tsiory,ho ambinina tokoa anie ka ho faly ianao Ho tahian'ny tompo,ho azonao izay irinao Eto foana aho,isika tsy hifanary fa hifandray Aza misalasala fa vonona aho amin'izay. Ry namako tena tiako, tsarovy fa izaho eny foana Raha misy ilainao dia tsy hitandroako ny fotoana Satria ianao ilay tokana ato am-po,ilay iray Ny fihavanantsika dia eo anilan'ilay Ray. Hamaranako azy dia tsy nanenina aho izao Eny,tsy nanenina nifandray taminao Ilay mpinamana haharitra ho mandrakizay Ho mafy orina,sy eo anatrehanao ry Ray.